Blaogin'i ramada

06/06,2009

Rapprochement bancaire

Ny atao hoe rapprochement bancaire dia fampitoviana ny volanao eo @ cahier sy ny vola any amin'ny banque. Tsy voatery ho comptable amin'ny Société ihany araka izany no mila mahay azy ity fa na ianao io aza dia mila azy.

Toy izao ny fomba fanaovana azy:

1- Raiso eo ambany masonao ny cahier misy ny volanao sy ny relevé izay nalefan'ny banky.

2-Mariho (*) izay vola sady misy ao amin'ny cahier-nao sy ao amin'ilay relevé.

3-Mariho (/) kosa izay ao anaty cahier-nao nefa tsy hitanao ao amin'ny relevé (cas 1)na ihany koa hitanao ao amin'ny relevé nefa tsy  hitanao ao amin'ny cahier-nao(cas 2).

4-Raha ilay cas1 no zava-misy dia mety ho opérations nataonao faran'ny volana ilay izy ka amin'ny relevé manaraka vao hita.

  Raha ilay cas2 kosa dia jereonao ny pièce nangalanao na nampidiranao an'ilay vola fa sao dia adinonao ny nampiditra azy tao anaty cahier, raha tsy izay dia antsoy ny gestionnaire de compte misy anao.

5-Marihiko eto fa ny solde début mois eo amin'ny relevé-nao sy ny cahier dia tsy voatery hitovy ary ny différence misy eo amin'ireo dia mety ilay opérations tsy mampitovy azy eo amin'ireo cas voalaza ireo.

6-Farany, mba hahamora ny hanarahanao maso amin'ny volana manaraka, dia tsara kokoa raha manamboatra tabilao ianao.

Comptabilité | Hevitra (0) | Hametraka hevitra